HEVITRY NY NOFY par TenWords
Vous souhaitez réagir à ce message ? Créez un compte en quelques clics ou connectez-vous pour continuer.
Le deal à ne pas rater :
Cartes Pokémon 151 : où trouver le coffret Collection Alakazam-ex ?
Voir le deal

Nofy voalavo

2 participants

Aller en bas

Nofy voalavo Empty Nofy voalavo

Message par Pray'F Jeu 8 Déc - 15:43

Izaho 2 andro misesy manonofy voalavo foana, ny andro voalohany, dia manonofy hoe any antranon'ilay olona miaraka amiko hono aho, dia hitako izy tonga ny hariva, de nandeha namoha ny trano tao ambany aho, dia iny misy mpiara-miasa amiko hitako, ary alika iray lava be sady vaventy no avo, mavo ny lokony, nanantona ahy ilay mpiaramiasa tamiko, de nanontaniako hoe inona izany feo hafahafa any ivelany any izany ? dia hoy izy hoe misy comorien any miaraka am voalavony bdb fa tsy haiko, toa varavarana iray no nidiran'ilay mpiara-miasa tamiko sy ilay alika mavo, misy tsorika fotsy vitsivitsy, ary varavarana hafa no nidiran'ilay olona miaraka amiko. tsy tazako anefa ireo voalavo maro fa azoko sary antsaina fotsiny hoe misy anzany manantona izany ny tanana, miaraka amle hoe comorien.
Ny ampitson'io dia mbola nanonofy indray aho, hoe mahita voalavo iray aho, misy cloison hazo hono io misy ahy io, de midona amin'io cloison io ny fandriko, de eo antokongom-pandrianako ambony izany aho no mahita ilay voalavo de matahotra mafy hoe tena tsy maintsy hidina hanaraka io cloison io voalavo io de tonga eto amiko. Taitra tampoka aho tamin'io fotoana io, ary tapaka teo ny nofiko,niverina natory aho avy eo, dia mbola nitohy ilay nofy, ny tohiny hoe nilatsaka teo ampandrinako hono ilay voalavo ary teo ambony tongotro mintsy de henoko tsara, tonga aho de taitra indray ary henoko mintsy hoe nisy zavatra teo ambony tongotra fa tsy hitako avy eo. Asa na ny tahotro tao amin'ny nofy no efa be loatra. Ka mba azonao azavaina amiko ve ny anton'izany nofy misafotofoto zany ?
Misaotra indrindra.

Pray'F

Messages : 3
Date d'inscription : 02/12/2016

Revenir en haut Aller en bas

Nofy voalavo Empty Re: Nofy voalavo

Message par TenyFolo Jeu 8 Déc - 15:50

Ny hevitry ny nofinao dia olana arak'asa (io no sarin'ilay voalavo votoatin'ny nofy, ny voalavo dia mpanimba ka izay no sary entiny eto).

Ny fisian'ilay mpiara-miasa no toerana isehoan'ny trangan-javatra fa izy ilay mitondra alika no maneho fa horohoron'ny olam-be mitranga eo amin'ilay toeram-piasanareo noho 'ny raharaha entin'olona ivelan'ny toeram-piasana izay hiteraka io olana goavana io (Comorien miaraka @voalavony be dia be).

Tapaka ilay nofy ary nitohy indray fa toeran-kafa : ilay toerana misy farafara misy anao dia maneho fa amin'ny fotoana mahavariana no hisy ilay olana izay tsy dia tahaka ny halehibeny teo aloha intsony, saingy ianao irery no hiatrika azy.

Tranga fahatelo : tena tonga teo aminao ilay olana saingy tsy fantatrao izay fomba nivahany tampoka teo.

Hoy ny fiteny vahiny hoe : il y a plus de peur que de mal.

TenyFolo

Messages : 3
Date d'inscription : 08/03/2016

Revenir en haut Aller en bas

Revenir en haut

- Sujets similaires

 
Permission de ce forum:
Vous ne pouvez pas répondre aux sujets dans ce forum